Ivon'ny Fitanan-tsiambaratelo

  • fandraisana Foiben'ny Fitanan-tsiambaratelo
  • Mikaroka
  • Lohahevitra fitanan-tsiambaratelo
  • More privacy resources
  • Politika Fitanana Tsiambaratelo
  • Politika sy andininy hafa
  • Tefy

Politika Fampiasana Kokizy

Inona no atao hoe kokizy ary inona no voarakotra ato amin’ity politika ity?
Manan-kery 12 Desambra 2023 | Mijery kinova azo atao pirinty | Mahita an'ireo kinova taloha
Ny kokizy dia singan-dahatsoratra kely ampiasaina hampirimana fampahalalana amin’ny fitety tranonkalanao. Ny kokizy dia ampiasaina mba hampirimana sy handraisana famantarana sy fampahalalana hafa amin’ny solosaina sy telefaonina ary fitaovan-tserasera hafa. Ny teknolojia hafa, toy ny angon-drakitra ampiriminay amin’ny fitety tranonkalanao na fitaovan-tseraseranao, famantarana mifandraika amin’ny fitaovan-tseraseranao sy rindrambaiko hafa, dia ampiasaina amin’izany tanjona izany koa. Ato amin’ity politika ity, dia antsoinay hoe “kokizy” daholo izany teknolojia rehetra izany.
Mampiasa kokizy izahay raha manana kaonty Facebook na Instagram ianao, mampiasa ireo Vokatra Meta, anisan’izany ireo tranonkalanay sy appnay, na mitsidika tranonkala na app hafa izay mampiasa ireo Vokatra Meta (anisan’izany ny bokotra Tiako). Ny kokizy dia mahatonga ny Meta ho afaka hanolotra ireo Vokatra Meta aminao sy hahazo an’ireo fampahalalana voarainay momba anao, anisan’izany ny fampahalalana momba ny fampiasanao tranonkala na app hafa, na voasoratra anarana ianao na tsia, na tafiditra ianao na tsia.
Ity politika ity dia manazava hoe ahoana no fomba ampiasainay ny kokizy ary inona avy ny safidy anananao. Raha tsy hoe angaha misy fanambarana hafa ato amin’ity politika ity, dia ny Politika Fitanan-tsiambaratelo no hihatra amin’ny fikirakiranay ny angon-drakitra angoninay amin’ny alalan’ny kokizy.
Nahoana izahay no mampiasa kokizy?
Ny kokizy dia manampy anay hanome sy hiaro ary hanatsara an’ireo Vokatra Meta, ohatra amin’ny alalan’ny fanokanana votoaty, fampifanentanana sy fandrefesana doka, ary fanomezana traikefa azo antoka kokoa. Anisan’ny kokizy ampiasainay ny kokizin’ny sesiona, izay voafafa rehefa akatonao ny fitetinao, ary ny kokizy raikitra, izay mijanona ao amin’ny fitetinao mandra-pahalany daty azy na mandra-pamafanao azy ireo. Ireo kokizy ampiasainay sy ny fomba ampiasainay azy ireo dia mety hiova eny ihany rehefa manatsara sy manavao an’ireo Vokatra Meta izahay, amin’ireto tanjona manaraka ireto mazàna no ampiasainay azy ireo:
Fanamarinana fiiziana

Fahalemana, maha iray tsy mivaky ny tranonkala sy vokatra

Dokam-barotra, toro, haitsikaritra ary fandrefesana

Fiasa sy serivisin’ny tranonkala

Fahombiazana

Famakafakana sy fikarohana

Tranonkala sy app antoko fahatelo
Aiza izahay no mampiasa kokizy?
Mety hametraka kokizy ao amin’ny solosainao na fitaovan-tseraseranao izahay ary handray fampahalalana ampirimina ao amin’ny kokizy rehefa ampiasainao na tsidihinao:
  • Ireo Vokatra Meta;
  • Vokatra atolotr’ireo mpikambana hafa amin’ireo Orinasa Meta; ary
  • Tranonkala sy app atolotr’ireo orinasa hafa izay mampiasa ireo Vokatra Meta, anisan’izany ireo orinasa izay mampiasa teknolojia Meta ao amin’ireo tranonkala sy app an’izy ireo. Meta dia mampiasa kokizy ary mandray fampahalalana rehefa mitsidika ireo tranonkala sy app ireo ianao, anisan’izany ny fampahalalan’ny fitaovan-tserasera ary fampahalalana momba ny fihetsikao, ary tsy mila asa fanampiny avy aminao izany. Mitranga izany na manana kaonty Facebook na Instagram iray ianao na tsia, na tafiditra na tsia.
Mampiasa kokizy mifandray amin’ireo Vokatra Meta ve ireo Orinasa hafa?
Eny, mampiasa kokizy ao amin’ireo Vokatra Meta ny orinasa hafa mba hanolorana serivisy dokam-barotra sy fandrefesana ary marketing, ary famakafakana ho anay ary mba hanomezana fiasa sasany sy hanatsarana ireo serivisinay ho anao.
Ohatra amin’izany, ny kokizin’ny orinasa hafa dia manampy amin’ny fampifanentanana doka avy amin’ireo Vokatra Meta, fandrefesana ny fahombiazana sy fandairan’izy ireo, ary hanohanana ny marketing sy famakafakana. Ny fiasa sasany amin’ireo Vokatra Meta dia mampiasa kokizy avy amin’ny orinasa hafa mba hampandeha azy, ohatra amin’izany ny sarin-tany sasany sy fiasa fandoavana ary fahalemana. Mamantara misimisy momba ny orinasa mampiasa kokizy ao amin’ireo Vokatra Meta.
Ireo orinasa antoko fahatelo ihany koa dia mampiasa kokizy amin’ny tranonkala sy appn’izy ireo mifandray amin’ireo Vokatra Meta. Mba hahazoana hoe ahoana no ampiasan’ny orinasa hafa ny kokizy, dia diniho, azafady, ny politikan’izy ireo.
Ahoana no azonao ifehezana ny fampahalalanao?
Mampiasa kokizy izahay mba hanampiana amin’ny fanokanana sy fanatsarana votoaty sy serivisy, hanomezana traikefa azo antoka kokoa, ary hampisehoana doka ilaina sy sahaza anao ao amin’ireo sy ivelan’ireo Vokatra Meta. Azonao atao ny mifehy ny fomba fampiasanay angon-drakitra mba hampisehoana doka aminao ary koa zavatra hafa amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana voafaritra eo ambany.
Raha manana kaonty Facebook ianao

Raha manan kaonty Instagram iray ianao

Olon-drehetra

Fampahalalana bebe kokoa momba ny dokam-barotra an-jotra

Fifehy kokizy fitety